Bokin'ny Deoteronomia 22:24
dia ho entinareo mivoaka ho eo amin’ ny vavahadin’ izany tanàna izany izy roroa ka hotorahanareo vato ho faty: razazavavy moa, satria tsy niantso, nefa tao an-tanàna ihany; ary ralehilahy koa, satria nandry tamin’ ny vadin’ ny namany; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 22
Cross References
Genesis 29:21Ary hoy Jakoba tamin’ i Labana: Aiza ny vadiko, mba hanambadiako azy? fa efa tapitra ny fetr’ androko.
Deuteronomy 13:5Manaraha an’ i Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy no hatahoranareo, ary ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.
Deuteronomy 21:14Fa raha tsy tianao intsony ravehivavy, dia alefaso handeha araka izay sitrapony izy: fa aza mivarotra azy hatao vola aman-karena na manandevo azy, satria efa nampietry azy ianao.
Ezekiel 16:38ary hotsaraiko ianao araka ny fitsara vehivavy mijangajanga sy izay mandatsa-drà, ka halatsako ny rànao noho ny fahatezerana sy ny fahasaro-piaro.
Matthew 1:24Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin’ ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian’ ny anjelin’ ny Tompo ary ka nampakatra ny vadiny.
1 Corinthians 5:13Fa ny any ivelany dia tsarain’ Andriamanitra. Esory aminareo ilay mpanao ratsy.