Bokin'ny Deoteronomia 23:17
Eo aminao no hitoerany, dia eo amin’ ny tanàna izay tiany sy izay sitraky ny fony; fa aza mampahory azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
There shall be no whore of the daughters of Israel, nor a sodomite of the sons of Israel.
In Context
16Aza atolotrao amin’ ny tompony intsony ny andevo izay mandositra mamonjy tena ho eo aminao.
18Aoka tsy hisy zanakavavy na zanakalahin’ ny Isiraely hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy.
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 23
Cross References
Genesis 19:4Ary raha tsy mbola nandry izy, dia avy manodidina ny trano ny mponina tao an-tanàna Sodoma, hatramin’ ny tanora ka hatramin’ ny antitra, dia ny vahoaka rehetra tao an-tanàna;
Deuteronomy 22:21dia ho entiny mivoaka ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny tranon-drainy razazavavy ka hotorahan’ ny mponina amin’ ny tanànany vato ho faty, satria nanao izay fady indrindra teo amin’ ny Isiraely izy ka nijangajanga tao an-tranon-drainy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
Judges 19:22Ary raha mbola nampifaly ny fony izy, indro, ny mponina tao an-tanàna, olona tena ratsy fanahy, dia nanodidina ny trano ka nandondona mafy ny varavarana ary niteny tamin’ ilay lehilahy anti-panahy tompo-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra ato an-tranonao, mba hahalalanay azy.
1 Kings 15:12Fa nesoriny tamin’ ny tany ny olona izay nanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, sady nariany ny sampy rehetra izay nataon-drainy.
2 Kings 23:7Ary noravany ny tranon’ ny olona nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy izay teo amin’ ny tranon’ i Jehovah, dia ireo nanenoman’ ny vehivavy lay ho an’ i Astarta.
Romans 1:26Izany no nanoloran’ Andriamanitra azy ho amin’ ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin’ izay tsy fanaony;