Bokin'ny Deoteronomia 23:20
Aza mampanàna zavatra amin’ ny rahalahinao, na vola, na hanina, na zavatra hafa mety hampananaina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 23
Cross References
Exodus 22:24Raha mampisambo-bola ny oloko izay malahelo eo aminao ianao, dia tsy ho toy ny mpampanana vola aminy; fa tsy hampandoa zana-bola azy ianao.
Deuteronomy 14:21Aza homana izay maty ho azy, fa omeo ho an’ ny vahiny izay ao an-tanànanao izany mba hohaniny, na amidio amin’ ny olona hafa firenena; fa firenena masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao. Aza mahandro zanak’ osy amin’ ny rononon-dreniny.
Deuteronomy 15:10Omeo tokoa izy, ary aoka tsy halahelo ny fonao raha manome azy, satria izany zavatra izany no hitahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao amin’ ny asanao rehetra sy amin’ izay rehetra ataon’ ny tananao.
Psalms 15:5Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina,― izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.
Isaiah 1:19Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin’ ny tany;
Luke 14:14dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo; fa hovaliana kosa ianao amin’ ny fitsanganan’ ny marina.