Bokin'ny Deoteronomia 23:4
Ny Amonita sy ny Moabita tsy mahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah: na dia hatramin’ ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah hatramin’ ny mandrakizay ireny,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 23
Cross References
Numbers 22:5Dia naniraka olona izy ho any amin’ i Balama, zanak’ i Beora, any Petora, izay eo amoron’ ny Ony, dia eo amin’ ny tanin’ ny fireneny, mba hampaka azy, ka nanao hoe: Indro, misy firenena nivoaka avy tany Egypta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra izy ka mitoby tandrifiko;
Numbers 23:7Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Balaka nampaka ahy avy tany Arama, Ny mpanjakan’ i Moaba nampaka ahy avy tany amin’ ny tendrombohitra atsinanana: Avia, ka ozòny ho ahy Jakoba; ary mankanesa atỳ, ka sahatoy ny Isiraely.
Deuteronomy 2:29(araka izay nataon’ ny taranak’ i Esao, izay monina any Moabita, izay monina any Ara, tamiko) mandra-pitako an’ i Jordana ho any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitray anay.
1 Kings 18:4ka nony naringan’ i Jezebela ny mpaminanin’ i Jehovah, dia nalain’ i Obadia ny mpaminany zato ka nafeniny, dimam-polo avy no nataony tao an-johy iray, ary novelominy mofo sy rano ireo).
Nehemiah 13:2satria tsy nitsena hanina sy rano ny Zanak’ Isiraely izy, fa nanamby an’ i Balama hanozona azy; kanjo nampodin’ Andriamanitsika ho fitahiana kosa ny fanozonana.
Lamentations 1:10Ny fahavalo naninjitra ny tànany naka ny zava-tsoany rehetra; Fa ny jentilisa, izay noraranao tsy hiditra amin’ ny fiangonanao, dia hitany tafiditra ao amin’ ny fitoerany masìna.