Bokin'ny Deoteronomia 23:5
satria tsy nitsena hanina sy rano anareo teny an-dalana izy, raha nivoaka avy tany Egypta ianareo, ary satria nanamby an’ i Balama, zanak’ i Beora, avy any Petora any Mesopotamia, hanozona anao izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 23
Cross References
Numbers 22:5Dia naniraka olona izy ho any amin’ i Balama, zanak’ i Beora, any Petora, izay eo amoron’ ny Ony, dia eo amin’ ny tanin’ ny fireneny, mba hampaka azy, ka nanao hoe: Indro, misy firenena nivoaka avy tany Egypta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra izy ka mitoby tandrifiko;
Numbers 23:5Ary Jehovah nanisy teny teo am-bavan’ i Balama ka nanao hoe: Miverena any amin’ i Balaka, ary izany no holazainao.
Numbers 24:9Mamitaka izy, mandry toy ny liona, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy? Hohasoavina anie izay manisy soa anao, ary ho voaozona anie izay manozona anao!
Deuteronomy 7:7Tsy ny hamaroanareo noho ny firenena rehetra anefa no niraiketan’ ny fitiavan’ i Jehovah taminareo sy nifidianany anareo, fa ianareo dia vitsy noho ny firenena rehetra aza;
Joshua 24:10Fa tsy nety nihaino an’ i Balama Aho, koa nitahy anareo tokoa izy; ka dia namonjy anareo tamin’ ny tànany Aho.
Proverbs 26:2Toy ny vorona mivezivezy sy ny sidintsidina manidina, Dia toy izany ny fanozonam-poana: tsy mba hihatra izany.