Bokin'ny Deoteronomia 26:16
Anio no andidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao hanaraka ireo didy sy fitsipika ireo; koa tandremo sy araho amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 26
Cross References
Deuteronomy 4:29Kanefa any ianao no hitady an’ i Jehovah Andriamanitrao ka hahita Azy, raha mitady Azy amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.
Deuteronomy 6:5Ary tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.
Deuteronomy 8:2Ary tsarovy ny lalana rehetra izay nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao tany an-efitra izao efa-polo taona izao, hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahalala izay ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.
Deuteronomy 11:1Ary tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao, ka tandremo mandrakariva Izay asainy hotandremana, dia ny lalàny sy ny fitsipiny ary ny didiny.
Deuteronomy 12:1Izao no didy sy fitsipika izay hotandremanareo harahina any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, anao holovana amin’ ny andro rehetra hiainanareo ambonin’ ny tany.
Deuteronomy 13:3sady manao hoe: Andeha isika hanaraka andriamani-kafa (izay tsy fantatrao), ka aoka hanompo azy isika, na dia tanteraka aza ny famantarana na fahagagana izay nolazainy taminao,