Bokin'ny Deoteronomia 26:6
Ary nanao ratsy tamintsika ny Egyptiana ka nampahory antsika sy nampanao antsika fanompoana mafy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And the Egyptians evil entreated us, and afflicted us, and laid upon us hard bondage:
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 26
Cross References
Exodus 1:14ka nataony mangidy ny fiainany tamin’ ny fanompoana mafy, dia tamin’ ny feta sy ny biriky mbamin’ ny fanompoana rehetra any an-tsaha, dia ny fanompoana rehetra izay nampanompoany azy fatratra.
Exodus 1:22Dia nandidy ny vahoakany rehetra Farao ka nanao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia ario an’ i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy.
Exodus 5:19Ary hitan’ ny mpifehy ny Zanak’ Isiraely fa efa azon-doza izy noho ny nanaovana hoe: Tsy hahenanareo ny isan’ ny birikinareo amin’ ny anjara-fanompoana isan’ andro.
Numbers 20:15dia ny nidinan’ ny razanay tany Egypta, sy ny nitoeranay ela tany; ary nampahory anay sy ny razanay ny Egyptiana;