Bokin'ny Deoteronomia 26:8
ary tanana mahery sy sandry nahinjitra sy fampahatahorana lehibe sy famantarana ary fahagagana no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 26
Cross References
Exodus 12:37Dia niainga tao Ramesesa ny Zanak’ Isiraely ka nankany Sokota, dia lehilahy mahalia lalana tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
Exodus 12:51Ary tamin’ izany andro izany indrindra no nitondran’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta araka ny antokony.
Exodus 14:16Ary aingao ny tehinao, dia ahinjiro ambonin’ ny ranomasina ny tananao, ka saraho ny rano, dia handeha hamaky eo afovoan’ ny ranomasina mandia ny tany maina ny Zanak’ Isiraely.
Deuteronomy 5:15Ary tsarovy fa andevo tany amin’ ny tany Egypta ianao, ka tanana mahery sy sandry nahinjitra no nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany; izany no nandidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao hitandrina ny andro Sabata.
Psalms 105:27Ary izy ireo nanao ny famantarany teo aminy Sy fahagagana tany amin’ ny tanin’ i Hama.
Isaiah 63:12Dia Ilay nampandeha ny sandriny be voninahitra teo ankavanan’ i Mosesy ka nampisaraka ny ranomasina teo anoloany, mba hanaovany anarana mandrakizay ho Azy,