Bokin'ny Deoteronomia 27:1
Ary Mosesy sy ny loholon’ ny Isiraely dia nandidy ny vahoaka ka nanao hoe: Tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 27
Cross References
Deuteronomy 4:1Ary ankehitriny, ry Isiraely, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay ampianariko anareo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo.
Deuteronomy 11:32koa tandremo mba harahinareo ny didy rehetra sy ny fitsipika izay ataoko eo anoloanareo anio.
1 Chronicles 28:8Ary ankehitriny, eto anatrehan’ ny Isiraely rehetra, fiangonan’ i Jehovah, sy eto anatrehan’ Andriamanitsika, tandremo sy diniho ny didin’ i Jehovah Andriamanitrareo rehetra, mba hahatananareo ity tany soa ity, sady havelanareo ho lovan’ ny zanakareo mandimby anareo, mandrakizay izy.
John 15:14Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo.
James 2:10Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin’ ny iray loha dia meloka amin’ izy rehetra.