Bokin'ny Deoteronomia 27:2
Ary amin’ ny andro izay hitànareo an’ i Jordana ho any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, dia manangàna vato lehibe ho anao, ka lalory sokay;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 27
Cross References
Deuteronomy 9:1Mihainoa, ry Isiraely ô: ianao izao dia efa hita an’ i Jordana hiditra eo amin’ ny tany ka handresy firenen-tsamy hafa, izay lehibe sy mahery noho ianao, sy hahafaka tanàna lehibe izay misy manda manakatra ny lanitra,
Deuteronomy 26:1Ary rehefa tonga ao amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao ianao ka mandova azy ary monina ao,
Joshua 1:11Andeha mamaky ny toby, ka mandidia ny olona hoe: Manamboara vatsy ho anareo; fa raha afaka hateloana, dia hita ity Jordana ity ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrareo ho lovanareo.
Joshua 4:5ary hoy izy taminy: Mandehana eo alohan’ ny fiaran’ i Jehovah Andriamanitrareo ho eo afovoan’ i Jordana, ka samia manainga vato iray avy ho eny an-tsorony ianareo rehetra, araka ny isan’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely,
Joshua 8:32Dia nosoratany teo amin’ ny vato ny dikan’ ny lalàn’ i Mosesy, izay efa nosoratany teo anatrehan’ ny Zanak’ Isiraely.
Ezekiel 11:19Dia homeko fo iray izy, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin’ ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy,