Bokin'ny Deoteronomia 27:24
Hozonina izay mamely ny namany ao amin’ ny takona. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Cursed be he that smiteth his neighbour secretly. And all the people shall say, Amen.
In Context
23Hozonina izay mandry amin’ ny rafozani-vavy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
25Hozonina izay mandray kolikoly hahafaty olo-marina. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 27
Cross References
Exodus 20:13Aza mamono olona.
Leviticus 24:17Ary izay mahafaty olona dia hatao maty tokoa.
Deuteronomy 19:11Fa raha misy olona mankahala ny namany ka manotrika azy, ary mitsangana ka mamely mahafaty azy, ary mandositra ho ao amin’ ny anankiray amin’ ireo tanàna ireo,
2 Samuel 3:27Ary nony niverina tao Hebrona Abnera, dia nentin’ i Joaba nitanila tao anaty vavahady hiresaka aminy mangingina, kanjo nasiany tamin’ ny kibony ka matiny ho todin’ ny ran’ i Asahela rahalahiny.
2 Samuel 12:9koa nahoana ianao no nanamavo ny tenin’ i Jehovah ka nanao izay ratsy eo imasony? Oria Hetita nasianao ny sabatra, ary ny vadiny nalainao ho vadinao. Eny, efa novonoinao tamin’ ny sabatry ny taranak’ i Amona izy.
2 Samuel 20:9Ary hoy Joaba tamin’ i Amasa: Tsara ihany va ianao, ry rahalahy? Dia noraisin’ i Joaba tamin’ ny tànany ankavanana ny somotr’ i Amasa horohany.