Bokin'ny Deoteronomia 27:7
Ary manatera koa fanati-pihavanana, ka mihinàna eo sy mifalia eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And thou shalt offer peace offerings, and shalt eat there, and rejoice before the LORD thy God.
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 27
Cross References
Leviticus 7:11Ary izao no lalàna ny amin’ ny fanati-pihavanana izay haterina ho an’ i Jehovah:
Deuteronomy 12:12Dia hifaly eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy sy ny ankizilahinareo sy ny ankizivavinareo ary ny Levita izay ao an-tanànanareo; fa ny Levita tsy mba manana anjara na lova eo aminareo.
Deuteronomy 16:14Ary mifalia amin’ ny andro firavoravoanao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita mbamin’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao.
2 Chronicles 30:23Ary ny fiangonana rehetra niara-nihevitra ny amin’ ny hitandremana hafitoana indray; ka dia mbola nitandrina hafitoana koa tamin’ ny hafaliana izy.
Psalms 100:1Salamo ho fiderana. Mihobia ho an’ i Jehovah, ry tany rehetra.
Isaiah 61:3Hanolotra ho an’ ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy namama ho solon’ ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon’ ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ ny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon’ ny fahamarinana, nambolen’ i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra.