Bokin'ny Deoteronomia 28:10
Dia ho hitan’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany fa ny anaran’ i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 28
Cross References
Exodus 14:25Ary nanala ny kodian’ ny kalesiny Izy ka nampahasarotra ny nandehanany, dia hoy ny Egyptiana: Aoka handositra ny tavan’ ny Isiraely isika, fa Jehovah no miady amin’ ny Egyptiana ho an’ ireo.
Deuteronomy 2:25Anio no vao hataoko mahazo ny firenena ambanin’ ny lanitra rehetra ny horohoro sy tahotra anareo, ka raha reny ny lazanao, dia hangovitra sy hangorohoro eo anoloanao izy.
Deuteronomy 11:25Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanareo, fa hataon’ i Jehovah Andriamanitrareo ho azon’ ny tahotra sy horohoro anareo ny tany rehetra izay hodiavinareo, araka izay nolazainy taminareo.
1 Samuel 18:12Ary Saoly natahotra an’ i Davida, satria Jehovah nomba azy, fa Saoly kosa efa nialany.
1 Chronicles 14:17Ary ny lazan’ i Davida niely teny amin’ ny tany rehetra; ary nataon’ i Jehovah nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an’ i Davida.
Isaiah 63:19Efa tonga hoatra izay tsy notapahinao hatrizay hatrizay izahay sady tsy mba nantsoina tamin’ ny anaranao akory. Enga anie ka hotriarinao ny lanitra mba hidinanao, ka hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra,