Bokin'ny Deoteronomia 28:25
Hatolotr’ i Jehovah ho resy eo anoloan’ ny fahavalonao ianao, ka lalana iray no hivoahanao hiady aminy, fa lalana fito kosa no handosiranao hiala eo anoloany; dia ho mpanjenjena any amin’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
26Ary ny fatinao hohanin’ ny voro-manidina rehetra sy ny bibi-dia, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 28
Cross References
Leviticus 26:36Ary ny amin’ ny sisa aminareo any amin’ ny tanin’ ny fahavalony, dia hampiditra faharerahana ao am-pony Aho, ka na dia ny feon’ ny ravin-kazo voapaoka aza dia hampandositra azy; ary handositra tahaka ny mandosi-tsabatra izy ka ho lavo, na dia tsy misy manenjika aza.
Deuteronomy 32:30Hataon’ ny irery ahoana no fanenjika ny arivo, Ary hataon’ ny roa lahy ahoana no fampandositra ny iray alina, Raha tsy ny Vatolampiny no efa nivarotra azy, Ary Jehovah no efa nanolotra azy?
Isaiah 30:17Ny arivo handositra, raha rahonan’ ny anankiray, eny, handositra ianareo, raha rahonan’ ny dimy, Mandra-pahatongan’ ny sisa aminareo ho tahaka ny to-kazo avo any an-tampon’ ny tendrombohitra sy tahaka ny faneva any amin’ ny havoana.
Jeremiah 24:9eny, hatolotro ho mpanjenjena sy fiharan-doza any amin’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany izy, ho fandatsa sy ohabolana sy ambentinteny ary fanozonana any amin’ ny tany rehetra izay handroahako azy.
Jeremiah 34:17Koa izao no lazain’ i Jehovah: Hianareo tsy nihaino Ahy ka tsy nety nitory fanafahana ho an’ ny rahalahinareo sy ny namanareo avy; dia, indro, miantso fanafahana ho anareo kosa Aho, hoy Jehovah, nefa ho an’ ny sabatra sy ny areti-mandringana ary ny mosary; ary hatolotro ho mpanjenjena any amin’ ny fanjakana rehetra amin’ ny tany ianareo.
Hosea 8:3Ataon’ ny Isiraely ho zavatra maharikoriko ny soa; Ny fahavalo no hanenjika azy.