Bokin'ny Deoteronomia 28:45
Dia ho tonga aminao ireo ozona rehetra ireo ka hanenjika anao sy hahatratra anao mandra-paharinganao, satria tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay nandidiany anao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
44Izy hampisambotra anao, fa ianao kosa tsy hampisambotra azy; izy ho lohany, fa ianao ho rambony.
46Ary ho famantarana sy fahagagana aminao sy ny taranakao mandrakizay izany,
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 28
Cross References
Deuteronomy 11:27fitahiana, raha hohenoinareo ny didin’ i Jehovah Andriamanitrareo, izay andidiako anareo anio;
Deuteronomy 28:15Fa raha tsy mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao:
2 Kings 17:20Dia narian’ i Jehovah ny taranak’ Isiraely rehetra ka nampahoriny sy natolony ho eo an-tànan’ ny mpamabo azy mandra-panaisony azy tsy ho eo imasony.
Proverbs 13:21Ny mpanota dia enjehin’ ny loza: Fa hovalian-tsoa ny marina.
Isaiah 65:14Indro, ny mpanompoko hihoby noho ny faharavoam-po, fa ianareo kosa hitoloko noho ny alahelom-po sy hidradradradra noho ny fahoriam-panahy.
Jeremiah 24:9eny, hatolotro ho mpanjenjena sy fiharan-doza any amin’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany izy, ho fandatsa sy ohabolana sy ambentinteny ary fanozonana any amin’ ny tany rehetra izay handroahako azy.