Bokin'ny Deoteronomia 28:47
satria tsy nanompo an’ i Jehovah Andriamanitrao tamin’ ny fahafaliana sy ny faharavoam-po ianao noho ny habetsahan’ ny zavatra rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
46Ary ho famantarana sy fahagagana aminao sy ny taranakao mandrakizay izany,
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 28
Cross References
Deuteronomy 16:11ary mifalia eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao mbamin’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay eo aminao, dia eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany.
Deuteronomy 32:14Sy rononomandrin’ omby sy rononon’ ondry aman’ osy Mbamin’ ny tavin’ ny zanak’ ondry Sy ondrilahin’ i Basana sy osilahy Ary vary izay vokatra indrindra; Ary nisotro divay mahery avy tamin’ ny ran’ ny voaloboka ianao.
Nehemiah 9:35Fa tsy nanompo Anao teo amin’ ny fanjakany izy sy teo amin’ ny haben’ ny zava-tsoa nomenao azy ary teo amin’ ny tany malalaka sy lonaka izay nomenao ho eo anoloany, sady tsy niala tamin’ ny ratsy fanaony izy.
1 Timothy 6:17Anaro ny mpanankarena amin’ izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika,