Bokin'ny Deoteronomia 28:65
Ary any amin’ ireo firenena ireo dia tsy hisy hiainanao, na hitsaharan’ ny faladianao; fa any no hanomezan’ i Jehovah anao fo miemponempona sy maso pahina ary fahakiviam-panahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 28
Cross References
Genesis 8:9Fa tsy hitan’ ilay voromailala izay hipetrahan’ ny faladiany, dia niverina tamin’ i Noa tao anatin’ ny sambo-fiara izy, satria mbola nisy rano tambonin’ ny tany rehetra; ary Noa naninjitra ny tànany ka nandray sy nampiditra azy ho ao aminy tao anatin’ ny sambo-fiara.
Leviticus 26:36Ary ny amin’ ny sisa aminareo any amin’ ny tanin’ ny fahavalony, dia hampiditra faharerahana ao am-pony Aho, ka na dia ny feon’ ny ravin-kazo voapaoka aza dia hampandositra azy; ary handositra tahaka ny mandosi-tsabatra izy ka ho lavo, na dia tsy misy manenjika aza.
Isaiah 57:21Tsy misy fiadanana ho an’ ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro.
Lamentations 1:3Lasan-ko babo ny Joda noho ny fahoriana sy ny haben’ ny fanompoana; Mipetraka ao amin’ ny jentilisa izy, nefa tsy mahita fitsaharana; Izay rehetra nanenjika azy dia nahatratra azy teo an-ketena.
Lamentations 5:17Ary noho izany dia reraka ny fonay, eny, noho izany dia maizina ny masonay,
Ezekiel 12:18Ry zanak’ olona, hano amin-korohoro ny haninao, ary sotroy amin-kovitra sy amin’ ahiahy ny ranonao.