Bokin'ny Deoteronomia 29:1
Dia niantso ny Isiraely rehetra Mosesy ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nahita izay rehetra nataon’ i Jehovah teo imasonareo tany amin’ ny tany Egypta tamin’ i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 29
Cross References
Exodus 19:3Ary Mosesy niakatra ho ao amin’ Andriamanitra, dia niantso azy Jehovah tao an-tendrombohitra ka nanao hoe: Izao no holazainao amin’ ny taranak’ i Jakoba sy hambaranao amin’ ny Zanak’ Isiraely:
Exodus 24:2nefa Mosesy ihany no hanakaiky an’ i Jehovah, fa ireo tsy mba hanakaiky; ary ny olona tsy hiakatra homba azy.
Deuteronomy 1:1Izao no teny izay nolazain’ i Mosesy tamin’ ny Isiraely rehetra tany an-dafin’ i Jordana, tany an-efitra, dia tany amin’ ny tani-hay tandrifin’ i Sofa, tanelanelan’ i Parana sy Tofela sy Labana sy Hazerota ary Dizahaba.
Deuteronomy 4:13Dia nambarany taminareo ny fanekeny, izay nandidiany anareo harahina, dia ny Didy Folo ary nosoratany teo amin’ ny vato fisaka roa ireo.
Deuteronomy 5:2Jehovah Andriamanitsika nanao fanekena tamintsika tany Horeba;
Deuteronomy 29:21Ary hiteny ny taranaka any aoriana, dia ny zanakareo izay hitsangana handimby anareo, sy ny vahiny avy amin’ ny tany lavitra, raha mahita ny kapoka natao tamin’ ity tany ity sy ny faharariana izay nampaharanan’ i Jehovah azy