Bokin'ny Deoteronomia 29:24
Dia hiteny ny vahoaka ka hanao hoe: Satria izy nahafoy ny faneken’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izay nataony taminy fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 29
Cross References
1 Kings 9:8ary na dia avo aza ity trano ity, dia mbola hitalanjonan’ izay rehetra mandalo izy sady hisitrisirany ka hanaovany hoe: Naninona re no dia nataon’ i Jehovah toy izao ity tany sy ity trano ity?
2 Kings 18:12Satria tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamaniny izy, fa nivadika ny fanekeny, dia izay rehetra nandidian’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, ka tsy nihaino na nankato izany izy.
Jeremiah 5:19Ary raha hoy izy: Nahoana Jehovah Andriamanitsika no dia nanao izany rehetra izany tamintsika? Dia hovalianao hoe: Toy ny nahafoizanareo Ahy sy ny nanompoanareo andriamani-kafa teo amin’ ny taninareo no hanompoanareo ny firenen-kafa any amin’ ny tany izay tsy anareo.
Jeremiah 22:9Dia hovaliana hoe: Noho ny nahafoizany ny faneken’ i Jehovah Andriamaniny sy ny nivavahany tamin’ andriamani-kafa sy ny nanompoany ireny.
Lamentations 2:15Miteha-tanana anao izay rehetra mandalo eny an-dalana; Misitrisitra sy mihifikifi-doha amin’ i Jerosalema zanakavavy izy ka manao hoe: Ity va ilay tanàna nataony hoe Tena fahatsaran-tarehy Fifalian’ ny tany rehetra?
Ezekiel 14:23Eny, hampionona anareo ireo, rehefa hitanareo ny alehany sy ny ataony; ka dia ho fantatrareo fa tsy nataotaoko foana izay rehetra nataoko taminy, hoy Jehovah Tompo.