Bokin'ny Deoteronomia 29:27
ary fahavinirana sy fahatezerana ary fahatezerana mirehitra no nandroahan’ i Jehovah azy tsy ho eo amin’ ny taniny sy nampandehanany azy ho any amin’ ny tany hafa, tahaka ny amin’ izao anio izao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 29
Cross References
Leviticus 26:14Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo,
Deuteronomy 28:15Fa raha tsy mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao:
Deuteronomy 30:1Ary rehefa tonga aminao izany zavatra rehetra izany, dia ny fitahiana sy ny fanozonana izay nataoko teo anoloanao, ary mahatsiaro izany ao am-ponao any amin’ ny firenena rehetra izay androahan’ i Jehovah Andriamanitrao anao ianao,
2 Kings 17:6Ary tamin’ ny taona fahasivy nanjakan’ i Hosea no nahafahan’ ny mpanjakan’ i Asyria an’ i Samaria, dia nentiny ho babo tany Asyria ny Isiraely ka namponeniny tao Hala sy teo amoron’ i Habora (dia ny onin’ i Gozana izany) ary teny amin’ ny tanànan’ ny Mediana.
Psalms 85:5Miverena aminay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, Ary ampitsaharo ny fahatezeranao aminay.
Daniel 9:11Eny, ny Isiraely rehetra efa nandika ny lalànao ka niala, fa tsy nihaino ny feonao, ka dia naidina taminay ny ozona sy ny fianianana izay voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Mosesy, mpanompon’ Andriamanitra, satria efa nanota taminy izahay.