Bokin'ny Deoteronomia 3:12
Ary io tany io dia azontsika tamin’ izany andro izany; hatrany Aroera, izay eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, sy ny antsasaky ny tany havoan’ i Gileada ary ny tanàna eo dia nomeko ny Robenita sy ny Gadita.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 3
Cross References
Numbers 32:33Dia nomen’ i Mosesy ho an’ ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena ary ny an-tsasaky ny firenen’ i Manase, zanak’ i Josefa, ny fanjakan’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorka, sy ny fanjakan’ i Oga, mpanjakan’ i Basana dia ny tany mbamin’ ny tanànany ao amin’ ny fari-tany, dia ny tanàna eny amin’ ny tany manodidina.
Deuteronomy 4:48hatrany Aroera, izay ao amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatramin’ ny tendrombohitra Siona (Hermona izany),
Joshua 12:2Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay nonina tany Hesbona ka nanjaka hatrany Aroera, eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatreo afovoan’ ny lohasaha sy ny antsasak’ i Gileada, dia hatramin’ ny lohasahan-driaka Jaboka, fari-tanin’ ny taranak’ i Amona,
2 Kings 10:33hatrany Jordana no ho miantsinanana, dia ny tany Gileada rehetra, ny Gadita sy ny Robenita ary ny Manasita, hatrany Aroera, izay eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, dia Gileada sy Basana.