Bokin'ny Deoteronomia 3:18
Ary nandidy anareo tamin’ izany andro izany aho ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitrareo efa nanome anareo ity tany ity ho lovanareo; andeha mita eo alohan’ ny Zanak’ Isiraely rahalahinareo ianareo rehetra izay mahery, samy efa voaomana hiady.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 3
Cross References
Genesis 15:7Ary hoy Izy taminy: Izaho no Jehovah Izay nitondra anao nivoaka avy tany Oran’ ny Kaldeana, mba homeko anao ity tany ity ho lovanao.
Numbers 33:53dia halainareo ny tany, ka hitoetra eo ianareo; fa ianareo no nomeko ny tany ho zara-taninareo.
Deuteronomy 6:1Ary izao no lalàna, dia ny didy sy ny fitsipika, izay nasain’ i Jehovah Andriamanitrareo hampianarina anareo mba harahinareo any amin’ ny tany izay alehanareo holovana,
Deuteronomy 12:1Izao no didy sy fitsipika izay hotandremanareo harahina any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, anao holovana amin’ ny andro rehetra hiainanareo ambonin’ ny tany.
Deuteronomy 19:2dia manokàna tanàna telo ho anao eo afovoan’ ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao holovana.
Deuteronomy 19:14Aza mamindra ny fari-tanin’ ny namanao, izay efa vitan’ ny razana teo amin’ ny zara-taninao, izay azonao eo amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao holovanao.