Bokin'ny Deoteronomia 30:10
raha mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay voasoratra amin’ ity bokin’ ny lalàna ity, ka miverina amin’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11Fa izao lalàna izao, izay andidiako anao anio, tsy dia saro-pantarina aminao, ary tsy lavitra.
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 30
Cross References
Deuteronomy 4:29Kanefa any ianao no hitady an’ i Jehovah Andriamanitrao ka hahita Azy, raha mitady Azy amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.
Deuteronomy 30:2ka miverina amin’ i Jehovah Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, araka izay rehetra andidiako anao sy ny zanakao anio,
Nehemiah 1:9nefa raha miverina amiko kosa ianareo ka mitandrina ny didiko sy mankatò azy, na dia hisy voaroaka hatrany am-paravodilanitra aza ianareo, dia avy any no hanangonako azy, ka ho entiko ho ao amin’ ny fitoerana izay nofidiko hampitoerako ny anarako izy.
Lamentations 3:40Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin’ i Jehovah.
Ezekiel 33:11Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ ny ratsy fanahy amin’ ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin’ ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo, ry taranak’ Isiraely?
Ezekiel 33:19Ary raha ny ratsy fanahy miala amin’ ny faharatsiany ka manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona amin’ izany izy.