Bokin'ny Deoteronomia 30:13
Ary tsy any an-dafin’ ny ranomasina izany ka hanaovanao hoe: Iza no hankany an-dafin’ ny ranomasina haka azy ho antsika mba hohenointsika ka harahintsika?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Fa eo akaikinao indrindra ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, mba harahinao.
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 30
Cross References
Proverbs 2:1Anaka, raha raisinao ny teniko, Ary raketinao ao am-ponao ny didiko,
Proverbs 8:11Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy; Ary ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy.
Matthew 12:42Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin’ ity taranaka ity amin’ ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin’ ny faran’ ny tany izy hihaino ny fahendren’ i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.
Acts 8:27Dia nitsangana izy ka lasa nandeha; ary, indro, nisy lehilahy Etiopiana, tandapan’ i Kandasy, mpanjakavavin’ ny Etiopiana, sady mpitahiry ny hareny rehetra, ary tonga tany Jerosalema izy mba hivavaka;
Acts 10:33Koa niaraka tamin’ izay dia naniraka tany aminao aho; ary nanao soa ianao no avy. Koa ankehitriny izahay rehetra dia efa eto anatrehan’ Andriamanitra hihaino izay rehetra nandidian’ ny Tompo anao.
Romans 10:14Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory?