Bokin'ny Deoteronomia 30:20
dia ny ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan’ ny andronao, mba honenanao eo amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao, homena azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 30
Cross References
Deuteronomy 1:8Indro, efa natolotro eo anoloanareo ny tany, idiro ka lovao ny tany izay efa nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razanareo, Abrahama sy Isaka ary Jakoba, homena azy sy ny taranany mandimby azy.
Deuteronomy 4:40Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin’ ny tany, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay.
Deuteronomy 6:2mba hatahoranao an’ i Jehovah Andriamanitrao, hitandremanao ny lalàny rehetra sy ny didiny izay andidiako anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin’ ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao.
Deuteronomy 10:12Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain’ i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin’ ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra,
Deuteronomy 11:9ary, mba ho maro andro ianareo amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razanareo homena azy sy ny taranany, dia tany izay tondra-dronono sy tantely.
Deuteronomy 12:10Fa rehefa tafita an’ i Jordana ianareo ka monina any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo holovana, ary homeny fitsaharan’ ady amin’ ny fahavalonareo rehetra manodidina ianareo ka mandry fahizay,