Bokin'ny Deoteronomia 30:3
dia hampodin’ i Jehovah Andriamanitrao avy amin’ ny fahababoanao ianao, ary hamindra fo aminao Izy ka hanangona anao indray avy any amin’ ny firenena rehetra izay nampielezan’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 30
Cross References
Ezra 1:1Ary tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia, dia notairin’ i Jehovah ny fanahin’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia, mba hanatanteraka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Jeremia, ka dia nandefa teny eran’ ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:
Psalms 106:47Vonjeo izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô, Ka angòny avy amin’ ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masìna Sy hifalianay amin’ ny fiderana Anao.
Psalms 147:2Manangana an’ i Jerosalema Jehovah; Mamory ny Isiraely voaroaka Izy.
Isaiah 43:5Aza mahatahotra, fa momba anao Aho; Hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao;
Isaiah 56:8Izao no lazain’ i Jehovah Tompo, Izay mamory ny Isiraely voaroaka: Mbola hamory ny sasany koa ho eo aminy Aho, hanampy izay efa voavory eo aminy.
Jeremiah 29:14Eny, ho hitanareo Aho, hoy Jehovah; ary hampodiko avy amin’ ny fahababoana ianareo, ka hangoniko avy any amin’ ny firenena rehetra sy avy any amin’ ny tany rehetra izay nandroahako anareo, hoy Jehovah, ka hampodiko ho any amin’ ilay tany efa nanolorako anareo hobaboina.