Bokin'ny Deoteronomia 30:7
Ary hataon’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fahavalonao sy ny mankahala anao izay nanenjika anao ireny fanozonana rehetra ireny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Dia hihaino ny feon’ i Jehovah indray ianao ka hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio.
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 30
Cross References
Numbers 24:9Mamitaka izy, mandry toy ny liona, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy? Hohasoavina anie izay manisy soa anao, ary ho voaozona anie izay manozona anao!
Deuteronomy 7:15Ary harovan’ i Jehovah tsy ho azon’ aretina ianao, ka tsy hisy hameliny anao ny aretin-dratsin’ i Egypta, izay fantatrao; fa hataony amin’ izay rehetra mankahala anao kosa ireny.
Isaiah 10:12Kanefa rehefa vitan’ ny Tompo ny asany rehetra ao an-tendrombohitra Ziona sy Jerosalema, dia hovaliany kosa ny vokatry ny fiavonavonan’ ny fon’ ny mpanjakan’ i Asyria sy ny reharehan’ ny fiandranandran’ ny masony;
Jeremiah 25:12Ary rehefa tapitra ny fito-polo taona, hoy Jehovah, dia hovaliako kosa ny mpanjakan’ i Babylona sy izany firenena izany noho ny helony, ary ny tanin’ ny Kaldeana koa dia hataoko rava mandrakizay.
Jeremiah 30:16Koa izay rehetra mihinana anao dia mba hohanina, ary izay rehetra mampahory anao dia ho lasan-ko babo, izay mamabo anao dia hobaboina, ary Izay rehetra mandroba anao dia hatolotro horobaina.
Jeremiah 51:24Ary hampanodiaviko an’ i Babylona sy ny mponina rehetra any Kaldea ny ratsy rehetra izay efa nataony tao Ziona teo imasonareo, hoy Jehovah.