Bokin'ny Deoteronomia 30:9
Ary hataon’ i Jehovah Andriamanitrao manana amby ampy ianao amin’ izay hahasoa anao, dia amin’ ny asan’ ny tananao sy ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao; fa ho faly aminao indray Jehovah ka hahasoa anao, araka izay nahafaliany tamin’ ny razanao,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Dia hihaino ny feon’ i Jehovah indray ianao ka hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio.
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 30
Cross References
Leviticus 26:6Any homeko fiadanana eo amin’ ny tany ianareo ka handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra, fa hofongorako ny biby masiaka amin’ ny tany, ary tsy hotetezin-tsabatra ny taninareo.
Deuteronomy 7:14Hotahina ianao mihoatra noho ny firenena rehetra; tsy hisy lahy na vavy tsy hiteraka, na ianareo na ny biby fiompinareo.
Deuteronomy 28:11Ary hataon’ i Jehovah manana amby ampy izay hahasoa anao, dia ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, any amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razanao homena anao.
Isaiah 62:4Hianao tsy hatao intsony hoe nafoy, ary ny taninao tsy hatao intsony hoe Lao fa ianao hatao hoe Ilay sitrako, ary ny taninao hatao hoe Vady ampakarina; Fa sitrak’ i Jehovah ianao, ary ny taninao hampanambadina.
Isaiah 65:19Dia ho faly amin’ i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin’ ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina.
Jeremiah 32:41Eny, ho faly aminy Aho ka hahasoa azy, dia hamboly azy amin’ ity tany ity tokoa amin’ ny foko rehetra sy ny fanahiko rehetra.