Bokin'ny Deoteronomia 31:17
Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin’ izany andro izany, ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy, ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy; dia hiteny izy amin’ izany andro izany ka hanao hoe: Moa tsy ny tsy itoeran’ Andriamanitro eto amiko va no mahatonga izao fahoriana izao amiko?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 31
Cross References
Deuteronomy 7:21Aza matahotra azy ianao; fa Jehovah Andriamanitrao no eo aminao, dia Andriamanitra lehibe sy mahatahotra.
Deuteronomy 29:24Dia hiteny ny vahoaka ka hanao hoe: Satria izy nahafoy ny faneken’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izay nataony taminy fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.
Deuteronomy 30:19Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao,
Judges 2:14Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka natolony teo an-tànan’ ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tànan’ ny fahavalony manodidina azy ka tsy nahajanona teo anoloan’ ny fahavalony intsony.
1 Chronicles 28:9Ary ianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin’ ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.
2 Chronicles 21:10Nefa ny Edomita mbola niodina ka tsy nanoa ny Joda ihany ambaraka androany. Ary tamin’ izany andro izany Libna koa niodina tsy nety nanoa an’ i Jehorama, satria efa nahafoy an’ i Jehovah, Andriamanitra ny razany, izy.