The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Deoteronomia › Bokin'ny Deoteronomia 31 › Bokin'ny Deoteronomia 31:20

Bokin'ny Deoteronomia 31:20

Fa rehefa entiko any amin’ ny tany tondra-dronono sy tantely, izay nianianako tamin’ ny razany homena azy izy, ary hihinana ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka andriamani-kafa izy ka hanompo azy, ary handà Ahy ka hivadika ny fanekeko.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

For when I shall have brought them into the land which I sware unto their fathers, that floweth with milk and honey; and they shall have eaten and filled themselves, and waxen fat; then will they turn unto other gods, and serve them, and provoke me, and break my covenant.

In Context

19Ary ankehitriny soraty ho anareo izao fihirana izao, ka ampianaro ny Zanak’ Isiraely, ary aoka tsy ho afaka am-bavany izao fihirana izao mba ho vavolombelona amin’ ny Zanak’ Isiraely.

21Ary raha manjo azy ny zava-dratsy maro sy ny fahoriana, dia ho vavolombelona aminy izao fihirana izao, fa tsy ho afaka am-bavan’ ny taranany izao, fa fantatro ny fisainany izay efa hataony, na dia ankehitriny aza, raha tsy mbola nentiko any amin’ ny tany izay nianianako homena azy izy.

Read all of Bokin'ny Deoteronomia 31

Cross References

Exodus 3:8dia efa nidina Aho izao hamonjy azy amin’ ny tanan’ ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin’ izany tany izany ho any amin’ izay tany soa sy malalaka, dia any amin’ izay tany tondra-dronono sy tantely, any amin’ ny tanin’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.

Deuteronomy 6:3Koa mihainoa, ry Isiraely, ka mitandrema hanaraka izany, mba hahita soa ianao, ary mba hitomboanareo indrindra, araka izay nolazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao, dia any amin’ ny tany tondra-dronono sy tantely.

Deuteronomy 7:1Rehefa entin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana, ary firenena maro no voaroakany hiala eo anoloanao, dia ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, dia firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianao.

Deuteronomy 8:10Ary rehefa nihinana ianao ka voky ary misaotra an’ i Jehovah Andriamanitrao noho ny tany soa izay nomeny anao,

Deuteronomy 32:15Nihanatavy Jesorona ka namely daka, Efa matavy ianao sady vory nofo no vaventibe, Dia nahafoy an’ Andriamanitra Izay nanao azy izy, Ary nanamavo ny Vatolampy famonjena azy.

Nehemiah 9:35Fa tsy nanompo Anao teo amin’ ny fanjakany izy sy teo amin’ ny haben’ ny zava-tsoa nomenao azy ary teo amin’ ny tany malalaka sy lonaka izay nomenao ho eo anoloany, sady tsy niala tamin’ ny ratsy fanaony izy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Deoteronomia 31:20

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Deoteronomia 31:19Bokin'ny Deoteronomia 31Bokin'ny Deoteronomia 31:21 →