Bokin'ny Deoteronomia 31:23
Ary Jehovah nandidy an’ i Josoa, zanak’ i Nona, ka nanao hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hitondra ny Zanak’ Isiraely hiditra ao amin’ ny tany izay nianianako taminy homena azy, ary homba anao Aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
22Dia nosoratan’ i Mosesy androtrizay ihany izao fihirana izao ka nampianariny ny Zanak’ Isiraely.
24Ary rehefa voasoratr’ i Mosesy teo amin’ ny boky avokoa ny tenin’ ity lalàna ity,
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 31
Cross References
Deuteronomy 31:3Jehovah Andriamanitrao no hita eo alohanao, ary Izy no handringana ireo firenena ireo tsy ho eo anoloanao, ka hahazo ny taniny ianao; ary Josoa no hita eo alohanao, araka izay efa nolazain’ i Jehovah.
Deuteronomy 31:7Ary Mosesy niantso an’ i Josoa ka niteny taminy teo imason’ ny Isiraely rehetra hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao sy ity firenena ity dia hiara-miditra ao amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razany homena azy; ary ianao no hampandova azy izany.
Deuteronomy 31:14Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro, antomotra ny andro hahafatesanao; koa miantsoa an’ i Josoa, ary mitoera ao amin’ ny trano-lay fihaonana ianareo mba handidiako azy. Dia nandeha Mosesy sy Josoa ka nitoetra tao amin’ ny trano-lay fihaonana.
Joshua 1:9Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’ izay rehetra alehanao.
Acts 7:45Izany koa dia noraisin’ ny razantsika izay nandimby ireo, ka nentiny niditra niaraka tamin’ i Josoa tamin’ ny nahazoany ny tanin’ ny firenena izay noroahin’ Andriamanitra hiala teo anoloan’ ny razantsika hatramin’ ny andron’ i Davida;