Bokin'ny Deoteronomia 31:28
Vorio ho eto amiko ny loholona rehetra amin’ ny firenenareo sy ny mpifehy anareo, mba holazaiko eo anatrehany izao teny izao; ary hiantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aminy aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 31
Cross References
Genesis 49:1Ary Jakoba namory ny zananilahy ka nanao hoe: Mivoria ianareo, mba hanambarako aminareo izay ho tonga aminareo any am-parany.
Numbers 11:16Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Manangòna fito-polo lahy amin’ ny loholon’ ny Isiraely ho etỳ amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin’ ny fireneny sy mpifehy azy; ary ento miaraka aminao ho ao amin’ ny trano-lay fihaonana izy.
Deuteronomy 29:10ny zanakareo madinika koa sy ny vadinareo ary ny vahiny eo amin’ ny tobinareo mbamin’ ny mpikapa hazonao sy ny mpantsaka ranonao
Deuteronomy 31:12Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, na ny vahiny ao an-tanànanao, hihainoany sy hianarany ka hatahorany an’ i Jehovah Andriamanitrao sy hitandremany hanaraka ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity.
2 Kings 23:1Ary nanirahan’ ny mpanjaka, ka dia vory tany aminy ny loholon’ ny Joda Jerosalema rehetra.
Luke 19:40Fa Izy namaly ka nanao hoe: Lazaiko aminareo fa raha mangìna ireo, dia ny vato no hiantsoantso.