Bokin'ny Deoteronomia 31:3
Jehovah Andriamanitrao no hita eo alohanao, ary Izy no handringana ireo firenena ireo tsy ho eo anoloanao, ka hahazo ny taniny ianao; ary Josoa no hita eo alohanao, araka izay efa nolazain’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 31
Cross References
Numbers 27:18Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Alao ho anao Josoa, zanak’ i Nona, lehilahy izay manam-panahy, ka ametraho ny tananao izy;
Deuteronomy 1:30Jehovah Andriamanitrareo, Izay mandeha eo anoloanareo, Izy no hiady ho anareo, araka izay rehetra nataony ho anareo tany Egypta teo imasonareo,
Deuteronomy 7:1Rehefa entin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana, ary firenena maro no voaroakany hiala eo anoloanao, dia ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, dia firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianao.
Deuteronomy 31:7Ary Mosesy niantso an’ i Josoa ka niteny taminy teo imason’ ny Isiraely rehetra hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao sy ity firenena ity dia hiara-miditra ao amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razany homena azy; ary ianao no hampandova azy izany.
Deuteronomy 31:23Ary Jehovah nandidy an’ i Josoa, zanak’ i Nona, ka nanao hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hitondra ny Zanak’ Isiraely hiditra ao amin’ ny tany izay nianianako taminy homena azy, ary homba anao Aho.
Joshua 1:2Efa maty Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna, mità ity Jordana ity ianao sy ireo olona rehetra ireo ho any amin’ ny tany izay omeko azy, dia ny Zanak’ Isiraely.