Bokin'ny Deoteronomia 32:24
Hofezahin’ ny mosary izy sady holanin’ ny areti-mandripaka Sy ny fandringanana mangidy; Ary nifim-biby no hampandehaniko aminy Jesorona dia anaran’ ny Isiraely. Mbamin’ ny poizin’ ny biby mpikisaka amin’ ny vovoka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
23Havangongoko aminy ny loza betsaka; Ary holaniko aminy ny zana-tsi-pikako:
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 32
Cross References
Genesis 3:14Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin’ ny menarana: Satria nanao izany ianao, koa amin’ ny biby fiompy rehetra sy ny bibi-dia rehetra dia ianao no voaozona: ny kibonao no handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin’ ny andro rehetra hiainanao.
Leviticus 26:22Ary hampandehaniko eo aminareo ny bibi-dia, ka handany ny zanakareo sy handringana ny biby fiompinareo ireny ka hahavitsy isa anareo; ary ny lalambenareo ho tonga efitra.
Deuteronomy 28:53Ary eo amin’ ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren’ ny fahavalonao anao, dia ny ateraky ny kibonao no hohaninao, dia ny nofon’ ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
Psalms 91:6Na ny areti-mandringana mandeha amin’ ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin’ ny mitataovovonana.
Isaiah 65:25Ny amboadia sy ny zanak’ ondry hiara-komana, Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, Ary ny menarana, dia vovoka no ho fihinany; Ary tsy handratra na hanimba eran’ ny tendrombohitro masìna izy, hoy Jehovah.
Jeremiah 14:18Raha mivoaka any an-tsaha aho, dia indreny ny matin-tsabatra! Ary raha miditra ao an-tanàna kosa aho, dia indreo ny anan’ ny mosary! Eny, ny mpaminany sy ny mpisorona dia mirenireny mankamin’ ny tany tsy fantany.