Bokin'ny Deoteronomia 32:25
Eny ivelany dia ny sabatra no hahafaty ny zanany, Ary ao amin’ ny efi-trano dia ny fampahatahorana Na ny zatovolahy na ny zatovovavy, Na ny zaza minono na ny fotsy volo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 32
Cross References
Leviticus 26:36Ary ny amin’ ny sisa aminareo any amin’ ny tanin’ ny fahavalony, dia hampiditra faharerahana ao am-pony Aho, ka na dia ny feon’ ny ravin-kazo voapaoka aza dia hampandositra azy; ary handositra tahaka ny mandosi-tsabatra izy ka ho lavo, na dia tsy misy manenjika aza.
2 Chronicles 36:17Koa nentiny namely azy ny mpanjakan’ ny Kaldeana, izay namono ny zatovony tamin’ ny sabatra tao an-trano fitoerana masìna, ary tsy nisy namindrany fo, na zatovo na virijina, na ny antitra sy ny fotsy volo; fa izy rehetra dia natolony ho eo an-tànany avokoa.
Jeremiah 9:21Ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hiampatrampatra ny fatin’ ny olona ka ho tonga tahaka ny zezika eny an-tsaha sy tahaka ny amboara nilaozan’ ny mpijinja, Izay tsy misy manangona azy.
Jeremiah 44:8noho ny ampahatezeranareo Ahy amin’ ny asan’ ny tananareo sy amin’ ny andoroana ditin-kazo manitra ho an’ andriamani-kafa any amin’ ny tany Egypta izay alehanareo hivahiniana, mba haharingana anareo ka hahatonga anareo ho fanozonana sy ho fandatsa any amin’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany?
Lamentations 2:19Mitsangàna, miantsoantsoa amin’ ny alina hatramin’ ny filatsahan’ ny fiambenana, Aidino tahaka ny rano eo anatrehan’ ny Tompo ny fonao! Asandrato aminy ny tananao hifona ho an’ ny ain’ ny zanakao madinika, izay anan’ ny hanoanana eny an-joron-dalambe rehetra eny.
Ezekiel 7:15Ny sabatra no eny ivelany, ary ny areti-mandringana sy ny mosary kosa no ao anatiny; Izay any an-tsaha dia ho fatin-tsabatra, ary izay any an-tanàna kosa dia ho levon’ ny mosary sy ny areti-mandringana.