Bokin'ny Deoteronomia 32:3
Fa ny anaran’ i Jehovah no hotoriko; Maneke ny fahalehibiazan’ Andriamanitsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Because I will publish the name of the LORD: ascribe ye greatness unto our God.
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 32
Cross References
Exodus 3:13Ary hoy Mosesy tamin’ Andriamanitra: Indro, rehefa tonga any amin’ ny Zanak’ Isiraely aho ka manao aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy: Iza moa no anarany? dia ahoana no havaliko azy?
Exodus 20:24Alitara tany no hataonao ho Ahy, ka haterinao eo amboniny ny fanatitra doranao sy ny fanati-pihavananao, dia ny ondry aman’ osinao sy ny ombinao; eo amin’ ny fitoerana rehetra izay ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy hitahiako anao.
Exodus 34:5Ary Jehovah nidina tao anatin’ ny rahona ka nijanona teo aminy, dia nanonona ny anaran’ i Jehovah.
Deuteronomy 5:24Manatòna ianao, ka mihainoa izay rehetra holazain’ i Jehovah Andriamanitsika; ary ianao no aoka hilaza aminay izay rehetra holazain’ i Jehovah Andriamanitsika aminao, dia hohenoinay ka harahinay izany.
1 Chronicles 29:10Koa dia nisaotra an’ i Jehovah teo anatrehan’ ny fiangonana rehetra Davida ka nanao hoe: Isaorana anie Hianao, Jehovah ô, Andriamanitr’ Isiraely razanay, hatramin’ ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.
1 Chronicles 29:13Koa ankehitriny misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be voninahitra.