Bokin'ny Deoteronomia 32:30
Hataon’ ny irery ahoana no fanenjika ny arivo, Ary hataon’ ny roa lahy ahoana no fampandositra ny iray alina, Raha tsy ny Vatolampiny no efa nivarotra azy, Ary Jehovah no efa nanolotra azy?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
29Enga anie ka hendry izy mba hahalala izao Ka hahafantatra izay ho farany.
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 32
Cross References
Joshua 23:10Ny lehilahy iray aminareo manenjika ny arivo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no miady ho anareo, araka izay nolazainy taminareo.
Judges 3:8Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan’ i Kosan-risataima, mpanjakan’ i Mesopotamia, Izy; dia nanompo an’ i Kosan-risataima valo taona ny Zanak’ Isiraely.
1 Samuel 14:15Koa nisy hovitra tao amin’ ny toby tany an-tsaha sy tamin’ ny vahoaka rehetra; ary ny teo amin’ ny miaramila sy ny mpandrava nangovitra koa, ary nihorohoro ny tany, ka dia nisy fampangovitana avy tamin’ Andriamanitra.
2 Kings 7:5Dia niainga izy rehefa takariva hankany amin’ ny tobin’ ny Syriana; ary nony tonga teny an-tsisin’ ny toby izy, indro, tsy nisy olona akory tao.
Job 11:10Raha mandroso Izy ka misambotra ary manao fitsarana, dia iza moa no mahasakana Azy?
Psalms 31:8Hifaly sy ho ravoravo amin’ ny famindram-ponao aho; fa nahita ny fahantrako Hianao, ka nahafantatra ny fahorian’ ny fanahiko,