Bokin'ny Deoteronomia 32:31
Fa tsy mba mitovy amin’ ny Vatolampintsika ny vatolampin’ ireny, Na dia izy fahavalontsika aza no hitsara.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For their rock is not as our Rock, even our enemies themselves being judges.
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 32
Cross References
Exodus 8:6Dia hoy izy: Rahampitso. Ary hoy kosa izy: Aoka àry dia ho araka ny teninao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka an’ i Jehovah Andriamanitray.
Numbers 23:8Hataoko ahoana no fanozona izay tsy nozonin’ Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no fisahato izay tsy nosahatoin’ i Jehovah?
1 Samuel 2:2Tsy misy masìna tahaka an’ i Jehovah, fa tsy misy afa-tsy Hianao; ary tsy misy vatolampy tahaka an’ Andriamanitsika.
Ezra 1:3Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Andriamaniny anie homba azy, fa aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny tranon’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izy no Andriamanitra Izay any Jerosalema.
Ezra 7:20Ary izay rehetra mbola hilainao koa ka tsy maintsy haloanao ho an’ ny tranon’ Andriamanitrao dia alao ao amin’ ny trano firaketan’ ny mpanjaka.
Daniel 2:47Ny mpanjaka namaly an’ i Daniela ka nanao hoe: Marina tokoa fa Andriamanitrareo dia Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ ny mpanjaka ary Mampiseho zava-miafina, ka dia nahay nampiseho izany zava-miafina izany ianao.