Bokin'ny Deoteronomia 32:35
Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana, Raha avy izay hahasolafaka ny tongony; Fa antomotra ny andro hahitany loza, Ary ho avy faingana ny zava-boatendry hanjo azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
34Moa tsy voatahiry ato amiko va izany Ka voaisy kase ato an-trano firaketako?
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 32
Cross References
2 Samuel 22:48Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy,
Psalms 94:1Jehovah, Andriamanitra Mpamaly ny natao, ô, Andriamanitra, Mpamaly ny natao, ô, mamirapirata.
Isaiah 5:19Dia izay manao hoe: Aoka hohafainganiny sy hododonany ny asany, mba ho hitantsika, Ary aoka izay kasain’ ny Iray Masin’ ny Isiraely ho mby akaiky ka ho tanteraka, mba ho fantatsika!
Isaiah 13:22Ny kary no hifampierena ao an-tranobeny, ary ny amboadia ao amin’ ny lapa nanaranam-po; efa antomotra ny fotoany, ary ny androny tsy hatao ela.
Isaiah 60:22Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ ny fotoany.
Jeremiah 8:12Nomenarina izy noho ny nanaovany fahavetavetana, nefa tsy mba menatra akory izy, ary tsy mba valahara; Koa ho lavo ao amin’ izay lavo izy, amin’ ny andro hamaliana azy dia ho tafintohina izy, ho Jehovah.