Bokin'ny Deoteronomia 32:43
Mihobia, ry jentilisa mbamin’ ny olony; Fa ny ran’ ny mpanompony no hovaliany. Hamaly ny mpandrafy Azy Izy, Ary hanao fanavotana kosa ho an’ ny taniny sy ny olony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 32
Cross References
Deuteronomy 32:35Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana, Raha avy izay hahasolafaka ny tongony; Fa antomotra ny andro hahitany loza, Ary ho avy faingana ny zava-boatendry hanjo azy.
2 Kings 9:7Ary hamely ny tamingan’ i Ahaba tomponao ianao, mba hampanodiaviko an’ i Jezebela ny ran’ ny mpaminany mpanompoko sy ny ran’ ny mpanompon’ i Jehovah rehetra.
Psalms 22:27Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an’ i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo.
Psalms 79:10Nahoana ny jentilisa no hanao hoe: aiza izay Andriamaniny? aoka ho fantatra amin’ ny jentilisa eo imasonay ny famaliana ny ran’ ny mpanomponao izay nalatsaka.
Psalms 85:3Voaisotrao ny heloky ny olonao, Voasaronao ny fahotany rehetra. [Sela.]
Isaiah 19:23Amin’ izany andro izany dia hisy lalambe avy any Egypta mankany Asyria, koa ny Asyriana dia hankany Egypta, ary ny Egyptiana kosa hankany Asyria, ary ny Egyptiana sy ny Asyriana hiara-mivavaka.