Bokin'ny Deoteronomia 32:9
Fa anjaran’ i Jehovah ny olony: Jakoba no natokany ho lovany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For the LORD’S portion is his people; Jacob is the lot of his inheritance.
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 32
Cross References
Exodus 15:16Mahazo azy ny tahotra sy ny hovitra; Noho ny halehiben’ ny sandrinao dia mangìna tahaka ny vato izy, mandra-pandalon’ ny olonao, Jehovah ô, mandra-pandalon’ny olona izay navotanao.
Deuteronomy 9:29Kanefa ireo dia firenenao sy lovanao, izay nentinao nivoaka tamin’ ny herinao lehibe sy ny sandrinao nahinjitra.
Joshua 24:17Fa Jehovah Andriamanitsika, Izy no nitondra antsika sy ny razantsika nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tany amin’ ny trano nahandevozana, ary Izy no nanao ireny famantarana lehibe ireny teo imasontsika ka niaro antsika teny amin’ ny lalana rehetra nalehantsika sy teny amin’ ny firenena rehetra izay notetezintsika.
2 Samuel 20:19Izaho dia isan’ ny tia fihavanana sady olona mahatoky eto amin’ ny Isiraely; fa ianao kosa mitady handrava renivohitra eto amin’ ny. Isiraely, koa ahoana no hamongoranao ny lovan’ i Jehovah?
1 Kings 8:53Fa Hianao, Jehovah, Tompo ô no nanavaka azy tamin’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany ho lovanao, araka izay nampilazainao an’ i Mosesy mpanomponao tamin’ ny nitondranao ny razanay nivoaka avy tany Egypta.
Psalms 78:71Tany amin’ ny fiandrasany ny ondry ampianahana no nakàny azy, mba hiandry an’ i Jakoba olony sy Isiraely lovany;