Bokin'ny Deoteronomia 33:10
Jakoba no hampianariny ny fitsipikao, Ary Isiraely ny lalànao; Hametraka ditin-kazo manitra eo anatrehanao’ izy Sy fanatitra dorana eo ambonin’ ny alitaranao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 33
Cross References
Exodus 30:7Ary Arona handoro ditin-kazo mani-pofona eo; isa-maraina, raha mamboatra ny lela fanaovan-jiro, no handoroany izany;
Leviticus 1:13fa ny taovany sy ny tongony kosa hosasany amin’ ny rano; dia ho entin’ ny mpisorona izy rehetra ka hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara; ho fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
Leviticus 9:12Dia namono ny fanatitra dorana Arona; ary ny zanany nanolotra azy ny rà dia nanopy izany manodidina tamin’ ny lafin’ ny alitara izy.
Deuteronomy 17:9ary mankanesa amin’ ireo Levita mpisorona sy amin’ ny anankiray izay mpitsara amin’ izany andro izany, ka manontania, dia hambarany aminao ny teny fitsarana.
Deuteronomy 27:14Dia hiteny ny Levita ka hanao amin’ ny Isiraely rehetra amin’ ny feo mahery hoe: