Bokin'ny Deoteronomia 33:12
Ary ny amin’ i BENJAMINA dia hoy izy: Ny malalan’ i Jehovah honina fahizay eo aminy, Dia halofany mandrakariva, Ary hobabeny eo an-damosiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 33
Cross References
Exodus 28:12Ary ataovy eo amin’ ny soroky ny efoda ny vato roa, ho vato fahatsiarovana ho an’ ny Zanak’ Isiraely; ary Arona hitondra ireo anarany ireo eo anatrehan’ i Jehovah amin’ ny sorony roa ho fahatsiarovana.
Deuteronomy 33:27Ny Andriamanitra hatrizay hatrizay no fonenana, Ary ny sandry mandrakizay no eto ambany. Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy Ka manao hoe: Aringano.
Judges 1:21Ary ny taranak’ i Benjamina tsy nandroaka ny Jebosita, izay mponina any Jerosalema; fa ny Jebosita dia miara-monina amin’ ny taranak’ i Benjamina any Jerosalema ihany mandraka androany.
2 Samuel 12:24Ary Davida nampionona an’ i Batseba vadiny, dia niditra tao aminy ka nandry taminy; ary niteraka zazalahy izy, ka ny anarany nataony hoe Solomona. Ary Jehovah tia azy,
1 Kings 12:21Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak’ i Joda rehetra mbamin’ ny firenen’ i Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin’ ny taranak’ Isiraely hampody ny fanjakana indray ho an-dRehoboama, zanak’ i Solomona.
2 Chronicles 15:2ary dia nivoaka hitsena an’ i Asa izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ahy, ry Asa mbamin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra: Jehovah momba anareo, raha ianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa ianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hahafoy anareo Izy.