Bokin'ny Deoteronomia 33:2
Hoy izy: Jehovah avy tao Sinay, Ary niseho taminy avy tany Seïra; Niposaka namirapiratra avy tany an-tendrombohitra Parana Izy; Ary avy tao amin’ ny masiny tsy omby alinalina; Ary teo ankavanany nisy lalàn’ afo ho an’ ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 33
Cross References
Deuteronomy 5:22Koa ankehitriny, nahoana no ho faty izahay? fa handevona anay io afo lehibe io; raha mbola mandre ny feon’ i Jehovah Andriamanitsika indray izahay, dia ho faty.
1 Kings 11:18Ary niainga niala tany Midiana ireo ka tonga tany Parana; dia naka olona avy tany Parana homba azy izy ka nankany Egypta ho any amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, izay nanome azy trano sy tany sady nilaza hanome hanina azy koa.
Psalms 68:7Andriamanitra mampitoetra an-trano izay irery tena; mamoaka ny mpifatotra ho amin’ ny fanambinana Izy; fa ny maditra hitoetra amin’ ny tany karankaina.
Psalms 68:18Ny kalesin’ Andriamanitra dia roa alina, eny, arivo arivo; ny Tompo no eo aminy; Sinay dia eo amin’ ny itoerana masìna.
Habakkuk 3:3Tamy avy any Temana Andriamanitra, Dia ny iray Masìna avy any an-tendrombohitra Parana. [Sela.] Manarona ny lanitra ny voninahiny, Ary manenika ny tany ny fiderana Azy.
2 Corinthians 3:7Fa raha ny fanompoana nitondra fahafatesana aza, izay voasoratra teo amin’ ny vato, no nisy voninahitra, ka ny Zanak’ Isiraely tsy nahabanjina ny tavan’ i Mosesy noho ny voninahitry ny tavany izay nihalevona,