Bokin'ny Deoteronomia 33:22
Ary ny amin’ i DANA dia hoy izy: Dana dia zana-diona; Miantsampy avy ao Basana izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And of Dan he said, Dan is a lion’s whelp: he shall leap from Bashan.
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 33
Cross References
Genesis 49:16DANA hitsara ny olony tahaka ny anankiray amin’ ny firenen’ ny Isiraely.
Judges 13:2Ary nisy lehilahy avy tany Zora amin’ ny fokon’ ny Danita, Manoa no anarany; ary momba ny vadiny ka tsy niteraka.
Judges 14:6Dia nilatsaka tamin’ i Samsona ny Fanahin’ i Jehovah, ary ilay liona tanora dia nosamatsamahiny hoatra ny fanasamaka zanak’ osy, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tànany; ary tsy nambarany tamin’ ny rainy na tamin’ ny reniny izay efa nataony.
Judges 15:8Dia namely azy izy ka nahatapaka ranjo sy fe ary nahafaty be dia be; dia nidina izy ka nitoetra teo an-tsefatsefak’ ilay harambato mitresaka any Etama.
Judges 16:30Dia hoy Samsona: Aoka hiara-maty amin’ ny Filistina aho. Dia nezahiny mafy, ka dia nianjera tamin’ ireo andriana sy ny vahoaka rehetra izay teo ny trano. Ary ny maty izay novonoiny teo amin’ ny nahafatesany no be lavitra noho izay novonoiny tamin’ ny andro niainany.
1 Chronicles 12:35Ary tamin’ ny Danita dia enin-jato amby valo arivo sy roa alina izay nahay niady.