Bokin'ny Deoteronomia 33:29
Sambatra ianao, ry Isiraely; Iza no tahaka anao, ry olona voavonjin’ i Jehovah, Ampingan’ ny famonjena anao sy sabatry ny voninahitrao! Hikoy anao ny fahavalonao. Ary ianao handia ny fitoerany avo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 33
Cross References
Numbers 23:20Indro, ny hitahy no efa azoko; ary efa nitahy Izy, ka tsy mahova izany aho.
Deuteronomy 4:7Fa iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana andriamanitra akaiky azy tahaka an’ i Jehovah Andriamanitra amin’ izay rehetra iantsoantsika Azy?
Joshua 10:24Ary rehefa navoaka ireo mpanjaka ireo ka nentina ho eo amin’ i Josoa, dia niantso ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely Josoa ka nanao tamin’ ny mpitarika ny mpiady izay teo aminy hoe: Manatona, ka ataovy eo amin’ ny vozon’ ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo. Dia nanatona izy ka nanao ny tongony teo amin’ ny vozon’ ireo.
2 Samuel 7:23Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan’ Andriamanitra havotana ho olony, sy hanaovany anarana ho Azy, ary hanaovany zavatra lehibe ho anareo sy zava-mahatahotra ho an’ ny taninao teo anatrehan’ ny olonao, izay navotanao ho Anao avy tamin’ ny firenen’ i Egypta sy ny andriamaniny?
Psalms 7:12Mpitsara marina Andriamanitra, eny Andriamanitra Izay tezitra isan’ andro.
Psalms 18:45Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy; Ny hafa firenena mikoy ahy.