Bokin'ny Deoteronomia 33:5
Ary tonga mpanjakan’ i Jesorona Izy, Rehefa tafangona ny lehiben’ ny vahoaka Sy ny firenen’ Isiraely rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Lalàna no nandidian’ i Mosesy antsika Ho lovan’ ny fiangonan’ i Jakoba.
6Aoka ho velona ROBENA, fa tsy ho faty, Nefa aoka ho vitsy olona izy.
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 33
Cross References
Genesis 36:31Ary izao no mpanjaka izay nanjaka tany amin’ ny tany Edoma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin’ ny Zanak’ Isiraely:
Exodus 18:16Raha misy manana ady izy, dia mankaty amiko, ka mitsara azy roa tonta aho, dia mampahalala azy ny didin’ Andriamanitra sy ny lalàny.
Numbers 16:13Moa zavatra kely va ny nitondranao anay niakatra niala tany amin’ izay tany tondra-dronono sy tantely hahafaty anay atỳ an-efitra, no dia manao anao ho lehibenay koa ianao?
Deuteronomy 32:15Nihanatavy Jesorona ka namely daka, Efa matavy ianao sady vory nofo no vaventibe, Dia nahafoy an’ Andriamanitra Izay nanao azy izy, Ary nanamavo ny Vatolampy famonjena azy.
Judges 8:22Dia hoy ny lehilahy amin’ ny Isiraely tamin’ i Gideona: Manapaha anay ianao sy ny zanakao ary ny zafinao; fa efa namonjy anay tamin’ ny tanan’ ny Midiana ianao.
Judges 17:6Tamin’ izany andro izany tsy nisy mpanjaka tamin’ ny Isiraely: fa samy nanao izay nataony ho marina avy ny olona rehetra.