Bokin'ny Deoteronomia 33:7
Ary ny amin’ i JODA dia izao, hoy izy: Jehovah ô, mihainoa ny feon’ i Joda, Ka ento ho amin’ ny olony izy. Ny tanany no hiadiany ho azy, Ka manampia azy Hianao hamelezany ny mpandrafy azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Aoka ho velona ROBENA, fa tsy ho faty, Nefa aoka ho vitsy olona izy.
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 33
Cross References
Joshua 15:20Izao no lovan’ ny firenena taranak’ i Joda araka ny fokony:
2 Samuel 3:1Ary naharitra ela ny adin’ ny tamingan’ i Saoly sy ny tamingan’ i Davida, nefa Davida nihahery, fa ny tamingan’ i Saoly kosa nihahosa.
2 Samuel 5:19Ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah tamin’ i Davida: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistina.
2 Samuel 7:9Ary nomba anao tamin’ izay nalehanao rehetra Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana malaza tahaka ny anaran’ izay lehibe ambonin’ ny tany ianao.
2 Chronicles 17:12Ary Josafata nihanahery indrindra ka nanao trano fiarovana sy tanàna fitehirizana tany Joda.
Psalms 20:2Hihaino anao anie Jehovah amin’ ny andro fahoriana; hitondra anao ho any amin’ ny avo anie ny anaran’ Andriamanitr’ i Jakoba.