Bokin'ny Deoteronomia 4:12
Dia niteny taminareo teo amin’ ny afo Jehovah; ny teny ihany no renareo, fa tsy nahita endrika akory ianareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 4
Cross References
Numbers 12:8Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin’ ny fahitana, fa tsy amin’ ny teny saro-pantarina, ary mijery ny endrik’ i Jehovah izy; ka nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an’ i Mosesy mpanompoko?
Deuteronomy 4:33Moa efa nisy firenena nandre ny feon’ Andriamanitra niteny tao amin’ ny afo, tahaka ny efa renao, ka velona ihany?
Deuteronomy 5:4Niteny nifanatrika taminareo Jehovah tao an-tendrombohitra, tao amin’ ny afo.
Deuteronomy 9:10dia nomen’ i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, voasoratry ny fanondron’ Andriamanitra; ary teo aminy no nisy ilay teny rehetra nolazain’ i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin’ ny andro nivoriana.
1 Kings 19:12ary manarakaraka ny horohorontany nisy afo; nefa Jehovah tsy tao amin’ ny afo; ary manarakaraka ny afo nisy feo nitsoka malemy.
Isaiah 40:3Injany! misy feon’ ny miantso hoe: Manamboara lalana any an-efitra ho an’ i Jehovah, manaova lalambe any an-tany foana ho an’ Andriamanitsika.