Bokin'ny Deoteronomia 4:30
Raha azom-pahoriana ianao, fa manjo anao ireo zavatra rehetra ireo, dia hiverina amin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao any am-parany ka hihaino ny feony;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 4
Cross References
Genesis 49:1Ary Jakoba namory ny zananilahy ka nanao hoe: Mivoria ianareo, mba hanambarako aminareo izay ho tonga aminareo any am-parany.
Numbers 24:20Ary nahita ny Amalekita izy, dia nanao oha-teny hoe: Voalohany tamin’ ny jentilisa Amaleka, fa ho lany ringana no hiafarany.
Deuteronomy 31:17Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin’ izany andro izany, ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy, ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy; dia hiteny izy amin’ izany andro izany ka hanao hoe: Moa tsy ny tsy itoeran’ Andriamanitro eto amiko va no mahatonga izao fahoriana izao amiko?
1 Kings 8:46Raha manota aminao izy (fa tsy misy olombelona tsy manota), ka tezitra aminy Hianao ary manolotra azy eo anoloan’ ny fahavalony, ka dia ho entin’ ny mpamabo ho babo any amin’ ny tanin’ ny fahavalo izy, na ho lavitra na ho akaiky.
Nehemiah 1:9nefa raha miverina amiko kosa ianareo ka mitandrina ny didiko sy mankatò azy, na dia hisy voaroaka hatrany am-paravodilanitra aza ianareo, dia avy any no hanangonako azy, ka ho entiko ho ao amin’ ny fitoerana izay nofidiko hampitoerako ny anarako izy.
Jeremiah 7:23Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy ny feoko. Dia ho Andriamanitrareo Aho, ary ianareo ho oloko ka handeha amin’ ny lalana rehetra nandidiako anareo, mba hahitanareo soa.